Revelation of John 9

1Nampaneno ny trompetrany ny anjely fahadimy. Nahita kintana avy any an-danitra aho izay nianjera teny amin’ny tany. Ilay kintana no nomena ny fanalahidin’ilay lavaka tsy hita noanoa. 2Nosokafany ilay lavaka tsy hita noanoa, ary niakatra ny setroka nivoaka tao amin’ny lavaka toy ny setroka avy amin’ny lafaoro lehibe. Nivadika maloka ny masoandro sy ny rivotra nohon’ny setroka nivoaka tao an-davaka.

3Avy amin’ny setroka no nahatongavan’ireo valala teto ambonin’ny tany, ary nomena hery tahaka ny an’ny maingoka teto ambonin’ny tany izy ireo. 4Notenenina izy ireo tsy hanimba ny ahitra teto ambonin’ny tany na ireo zava-maniry maitso na hazo, fa ireo olona izay tsy manana tombo-kasen’Andriamanitra eo amin’ny handrin’izy ireo ihany.

5Tsy nahazo alalana ny hamono ireo olona ireo izy ireo, fa hampijaly azy ireo mandritra ny dimy volana ihany. Ny fanaintainan’izy ireo dia ho toy ny tsindron’ny maingoka rehefa mamely olona. 6Amin’ireo andro ireo dia hitady fahafatesana ny olona, fa tsy hahita izany. Haniry ny ho faty mafy izy ireo, nefa handositra azy ireo ny fahafatesana.

7Toy ny soavaly nomanina tamin’ny ady ireo valala. Tamin’ny lohan’izy ireo dia nisy zavatra toy ny satro-boninahitra volamena, ary ny tavan’izy ireo dia toy ny tavan’olombelona. 8Nanana volo toy ny volom-behivavy izy ireo, ary ny nifin’ izy ireo dia toy ny nifin’ny ireo liona. 9Nanana fiarovan-tratra toy ny fiarovan-tratra vy izy ireo, ary ny feon’ny elatr’izy ireo dia toy ny feon’ny kalesy sy soavaly maro mihazakazaka ho any amin’ny ady.

10Nanana rambo nisy fanindromana toy ny maingoka izy ireo; ao amin’ny rambon’izy ireo no misy ny hery hanimba ny olona mandritra ny dimy volana. 11Nanana mpanjaka izy ireo dia ilay anjelin’ilay lavaka tsy hita noanoa. Ny anarany tamin’ny teny Hebreo dia Abadona, ary ny anarany tamin’ny teny grika dia i Apolyona. 12Lasa ny loza voalohany. Indro! aorian’izao dia mbola hisy loza roa ho avy.

13Nampaneno ny trompetrany ilay anjely fahaenina, ary naheno ny feo nivoaka tamin’ny tandroky ny alitara volamena izay efa nisy teo anatrehan’Andriamanitra aho. 14Ary niteny tamin’ilay anjely fahaenina ilay feo manao hoe: “Avotsory ireo anjely efatra izay mifatotra any amin’ilay renirano lehiben’ ny Eofrata.” 15Ireo anjely efatra izay efa nomanina tamin’izany ora izany, izany andro izany, izany volana izany, ary izany taona izany, dia navotsotra mba hamono ny ampahatelon’ny olombelona.

16Ny isan’ireo miramila nitaingin-tsoavaly dia 200, 000, 000. Naheno ireo isa ireo aho. 17Toy izany no fomba nahitako ireo soavaly tao amin’ny fahitako sy ireo izay nitaingina teo amin’izy ireo: Ireo fiarovan-tratran’izy ireo dia mirehitra mena, manga antitra ary solifara mavo. Nitovy tamin’ny lohan’ireo liona ny lohan’ireo soavaly, ary ny nivoaka avy tao am-bavan’izy ireo dia afo, setroka, ary solifara.

18Ary ny ampahatelon’ireo olona dia matin’ireo loza telo: ny afo, ny setroka, ary ny solifara izay nivoaka avy tao am-bavan’izy ireo. 19Fa ny herin’ireo soavaly dia avy tao amin’ny vavan’izy ireo sy tamin’ny rambon’izy ireo - fa ny rambon’izy ireo dia toy ny bibilava, ary nanana loha izay afaka mandratra olona izy ireo.

20Ny ambin’ireo olombelona, ireo izay tsy matin’ireo loza ireo, dia tsy nibebaka tamin’asa izay vitan’izy ireo, na nijanona nanompo ireo demony sy sampy volamena, volafotsy, varahana, vato, ary hazo- ireo zavatra izay tsy hita maso, re, na mandeha. Izy ireo dia mbola tsy nibebaka tamin’ny asa famonoana, ny famosavian’izy ireo, ny fijangajangana na ireo asa fangalaran’izy ireo.

21

Copyright information for PltULB